MINAE- MEDD – TEFIALA : Fanarenana maharitra ny tany ho fampiroboroboana ny fambolena ao amin’ny Endritany Valanony Matsiatra, Distrikan’i vohibato, Faritra Matsiatra Ambony.

Ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) napetraky ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia atao laharam-pahamehana ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary ho fototra iorenan’ny fampandrosoana lovainjafy. Manoloana izany dia mitohy ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), miaraka amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), amin’ny alalan’ny tetikasa TEFIALA, tohanan’ny GEF-7 sy ny FAO.

Nanomboka ny 02 ka hatramin’ny 05 aprily 2025, dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny ekipan’ny MINAE, ny DRAE Matsiatra Ambony ary ny Tetikasa TEFIALA tao Andranomiditra, Endritany Valanony. Natao izany ho fanomanana ny fametrahana vala fanehoana hoenti-manatanteraka ny fitantanana maharitra ny tany, niaraka tamin’ireo tantsaha sy tomponandraikitra eny an-toerana.

Nisy fampiofanana sy fanamafisana fahaiza-manao natokana ho an’ireo mpampiofana momba ny fambolena hazo, ny alavadim-boly ary ny fandrakofana. Natao izany ho ampahany amin’ny paikady momba ny fitantanana maharitra ny tany, ka natao tamin’ny velaran-tany 1ha ny vala fanehoana, izay hambolena kafe miisa 600, asiana tsaramaso ary ampiarahina amin’ny voanjodia.

Io toerana io no hanofanana sy hizarana traikefa mivantana amin’ny Vondron’ny Tantsaha, ka hanaparitahana ny fahaiza-manao eny anivon’ny faritra.

Marihina fa mitotaly 11ha ny velaran-tany iasan’ny tetikasa amin’io sahandriaka Androimainty. Hazo fihinam-boa miisa 6 600 no ho volena eo amin’izany toerana izany.

Ankoatra izay dia nisy ihany koa ny fambolena hazo, fiaraha-mientana niarahana tamin’ny DREDD, ho fanamafisana ny fifandanjana eo amin’ny famokarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ny fitantanana maharitra ny tany sy ny fampiroboroboana ny fambolena maharitra dia anisan’ny vato fehizoron’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny famokarana maharitra. Ezaka iaraha-manatanteraka, ezaka ifampizara: rehefa voaaro ny tany, voaaro ny fiainana ary azo antoka ny ho avy.

Retour