Juncao : Teknolojia miavaka ho fanatsarana ny fiompiana sy ny fambolena eto Madagasikara.

Ho fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE), sy ny Repoblika Entim-bahoakan’i Sina, ary ho fanatanterahana ny vina napetraky ny Filoham-pirenena Andriamatoa Andry RAJOELINA amin’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny vahaolana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana, dia natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny fiofanana momba ny teknolojia Juncao.

Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 12 martsa 2025, teny amin’ny EFTA Ambatobe Antananarivo, ity fiofanana izay iarahana amin’ny Masoivoho Sinoa ity. Teknisianina 25 mianadahy avy amin’ny faritra samihafa no handray anjara mandritry ny 30 andro ka hahazo fahaiza-manao amin’ny fampiasana ny Juncao ho fanatsarana ny famokarana sakafom-biby sy amin’ny sehatra hafa.

Nitarika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana,  Andriamatoa HAJARISON François Sergio, notronin’ny Masoivohon’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, Andriamatoa JI PING, sy ny Tale misahana ny fanofanana momba ny Juncao ao Sina, Andriamatoa LIN HUI.

Notsindrian’ny Minisitra fa tanjona amin’ity fiofanana ity ny fanapariahana ny fahalalana ho an’ireo teknisianina sy mpamokatra mba hampiroboroboana ny fampiasana ny Juncao eto Madagasikara.

Ho fanamafisana izany, dia hapetraka ny Ivontoerana fanehoana  ahafahan’ny mpandray anjara mijery mivantana sy mampihatra ireo fahaiza-manao azo mandritra ny fiofanana. Teknolojia manana tombontsoa maro ny Juncao. Efa nampiharina tao amin’ny FIFAMANOR ny taona 2017, ka voaporofo fa:

  • Sakafo mahavelona ho an’ny biby fiompy, manankarena otrikaina ilaina amin’ny fitomboan’ny omby sy biby hafa.
  • Fitaovana fanohanana amin’ny fambolena champignon, amin’ny alalan’ny tuteur vita amin’ny Juncao.
  • Akora azo ampiasaina amin’ny sehatra hafa, toy ny fanamboarana lamba sy ny fampiasana amin’ny angovo azo havaozina.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ity teknolojia ity, dia hisokatra ny lalana ho amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra sy ny fandaharan’asa maharitra ho an’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana eto Madagasikara.

« 𝐄𝐧𝐬𝐞𝐦𝐛𝐥𝐞, 𝐭𝐫𝐚𝐧𝐬𝐟𝐨𝐫𝐦𝐨𝐧𝐬 𝐥𝐞 𝐬𝐞𝐜𝐭𝐞𝐮𝐫 𝐚𝐠𝐫𝐢𝐜𝐨𝐥𝐞 »

Retour