Afaka miatrika am-pitoniana ny taom-pamokarana 2020-2021 ireo tantsaha mamboly ao amin’ny lemaka PC23 kaominina Ambodirano, Distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, raha nisedra olana noho ny fahasimban’ny foto-drafitrasa famatsian-drano izy ireo hatramin’ny taona 2010. Nandray an-tànana ny fanavaozana ny tohadrano Sahabe ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalàn’ny MINAE, fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney amin’ny alalàn’ny JICA. Efa azo […]
Actualités
Missions sur terrain
Aretin’omby ao vakinankaratra: mandray ny andraikiny ny MINAE
Manoloana ny trangan’aretina mahazo ny omby izay mampatahotra ny mpiompy ao amin’ny faritra Vakinankaratra dia nandray ny andraikiny mifandraika amin’izany ny MINAE tamin’ny alalan’ny DGE.Efa nisy ny fangalàna singa an’ireo omby nahitana ny trangan’aretina, efa natao ny “analyse” ka hita fa “hémoparasite” no mahazo ireo omby. Efa nisy ihany koa ny “enquête” natao ka eo […]
Hampitomboana ny vokatra ronono eto Madagasikara
Taranak’ombivavy be ronono Montbéliarde sy Normande 165 isa izay efa samy mitondra vohoka 5 volana no tonga eto Madagasikara, tetikasan’ny Filoha Andry RAJOELINA, entina manatanteraka ny velirano faha 9 ; ho fanampiana ireo tanora sy tantsaha mpamokatra sy mpiompy mba hampitomboan’izy ireo ny fidiram-bolany. Ireo tanora sy tantsaha nahazo ny titre vert ao amin’ny faritry Vakinankaratra […]
Seha-pihariana katsaka Bongolava: tratra ny tanjon’ny PROSPERER
Tratra ny tanjon’ny fandaharan’asa PROSPERER (Fanohitra) izay eo ambany fiahian’ny MAEP ary vatsian’ny FIDA vola, amin’ny ankapobeny ao amin’ny faritra Bongolava, distrikan’ny Tsiroanomandidy amin’ny seha-pihariana katsaka. Anisan’ny koperativa notohan’ny fandaran’asa ny koperativa TAMBATRA ao Ambodiaviavy, Kaominina Mahasolo sy ny koperativa SANTATRA ao Maroharona, Kaominina Maroharona. Niakatra hatramin’ny 60-70% ny lentan’ny taham-pamokarana katsaka taorian’ny fanohanana ireo […]